<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.C. Stebbins</author>
<hymn_number>356</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry mpanota ! mihevera,
 Fa miantso Kristy izao :
 Izy ta-handray mpanota
 Manatòna hianao :
 // Mihainoa, mihainoa,
 Ka ario ny ditranao //

[V2]
 Ry mpanota ! miverena
 Ao am-balan'i Jeso ;
 Aza dia mirenireny,
 Sao iharan-doza izao
 // O ! modia, O ! modia,
 Ialao ny ditranao //

[V3]
 Ry mpanota ! manatòna
 Dieny misy antso izao
 Fa ho avy ny fotoana
 Mbola hanenenanao :
 // O ! avia, O ! avia,
 Izao ankehitriny izao //

[V4]
 Ry mpanota ! matokia,
 Tompo mora fo Jeso ;
 Izy dia tena tia
 Izay mibebaka tokoa :
 // Matokia ! matokia,
 Mibebaha re izao //

[V5]
 Ry Sakaizan'ny mpanota,
 Ento aho ho Anao ;
 He ! ny tenako rehetra
 No atolotro izao :
 // Raisonao re, raisonao re,
 Ho fanati-tsitrakao //</lyrics>
<title>Ry mpanota! Mihevera FFPM356</title>
</song>